Politique

Didier Ratsiraka Mitsipaka ny fifidianana alohan’ny fotoana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Niala tamin’ny fahanginany ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Arema, Didier Ratsiraka.

Tany Mahajanga, nandritra ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko Arema no nanehoany ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Tamin’izany no nilazany fa ny « Faritany mizakatena no hampandroso an’i Madagasikara » fa io no lalana iray ahafahana mamaha ny aretin’i Madagasikara ka tsy hiverenana anaty krizy vaovao indray. « Tsy hamaha olana ny fifidianana alohan’ny fotoana », hoy izy ary « aiza ny vola hoenti-manana izany ? », hoy hatrany ny Amiraly Ratsiraka nanohy ny fanazavany. Tsy resaka tsangan’olona rahateo ny fifidianana araka ny nambarany fa fanavotam-pirenena, koa tokony hifanatona, hifampidinika aloha ny mpanao politika, hatao ny fampihavanam-pirenena. Mianga amin’io avokoa ny famahana ny olana sy ahazoana fankatoavana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena mba hiverenan’ny famatsiam-bola ara-dalàna eto Madagasikara satria dia mila filaminana feno ireo firenen-dehibe vao afaka manampy. Mitaky fampihavanam-pirenena tena izy anefa izany, hoy hatrany ny Amiraly Didier Ratsiraka. Nahitsy koa ny teniny fa zanaky ny Repoblika faha-2 avokoa ny 80%-n’ireo milaza ho mpanohitra sy mpitondra ankehitriny ireo. Niantso ny rehetra ny filoha teo aloha hifanome tanana hanavotana ny firenena.

Korana tao amin’ny Antsika Beach no nanakatona tanteraka ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko Arema tao Mahajanga ny sabotsy 3 septrambra, rehefa nialohavana fampirantiana an-tsary ny tantaran’ny antoko tao amin’ny Lapan’ny tanàna sy ny filoha mpanorina ary ireo sahanasan’ny Arema toy ny Akanin-jaza. Nanotrona ny lanonana ny Governoran’ny Faritanin’i Mahajanga teo aloha Razafindehibe Etienne Hilaire, ny CSR Baonoro Victor, ny minisitra Andrianasolo, ny depiote Ramanana, Pr Ange Andrianarisoa… Hitohy any Antsiranana ity fankalazana mitety faritra ny faha-40 taonan’ny Arema ity.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT