Politique

Didier Ratsiraka Mihemotra ny fahatongavany


  • Zoma 19 Novambra 2010

Tsy resabe fa tena marina sy mitombina ny fahatongavan’ny filoha Didier Ratsiraka an-tanindrazana. Nanamafy izany ireo komity mpanomana ny fahatongavany.

Ity filoha teo aloha ity rahateo izay mbola nanamafy izany tamin’ny fihaonany tany Paris tamin’ny profesora Raymond Ranjeva herinandro mahery lasa izay, araka ny nambaran’ity farany tamin’ny mpanao gazety. Mihemotra amin’ny fotoana manaraka anefa ny fiverenan’ny amiraly an-tanindrazana noho ny toe-draharaham-pirenena. «Rahampitso sabotsy 20 novambra tokoa no andro nifanarahana taminy sy ny fianakaviana fa higadonany eto an-toerana saingy mihemotra kely mety ho andro vitsy na roa herinandro izany noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Aleo izy mihitsy ihany koa no hilaza mivantana amin’ny vahoaka ny datin’andro ahatongavany marina», hoy ramatoa Ramisandrazana, mpikambana ao amin’ny komity mpanomana ny fahatongavan’i Didier Ratsiraka. Nanome toky anefa ity farany fa hiara-kifety amin’ny vahoaka Malagasy ny krismasy sy ny fandraisana ny taona vaovao 2011 eto an-tanindrazana ny tenany.

Efa mihetsiketsika mafy amin’ny fandraisana makotrokotroka ity filoha teo aloha ity moa ny mpikambana Arema sy ireo mpanara-dia azy satria raha ny fanazavana azo avy amin-dramatoa Ramisandrazana ihany dia misy ireo solontena 10 isaky ny kaominina izay hiakatra eto an-drenivohitra. Araka ny fantatra avy amin’ireo mpanohana ny amiraly ihany dia tena hitondra vahaolana ho famahana ny krizy ny tenany ka raha vantany vao migadona eto Antananarivo izy dia hanambara izany amin’ny besinimaro. Tsy mbola mazava kosa anefa raha hamory olona izy na hanao fanambarana an-gazety sy amin’ny alalan’ny haino aman-jery fotsiny.

 
Légende : Ireo komity mpanomana ny fahatongavan’ny filoha Ratsiraka
 
Yves sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT