Politique

Didier Ratsiraka Ho avy handamina ny foloalindahy ?


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Am-perinasa tanteraka ny komity manokana manomana ny fitsenana ny amiraly Didier Ratsiraka amin’izao fotoana, na tsy mbola fantatra amin’ny fomba ofisialy aza ny daty hahatongavany.

Ny hany fantatra izao dia tsy ho ela ary ao anatin’ny tapa-bolana no higadona an-tanindrazana ity filoha teo aloha ity, araka ny fanazavana nomen-dRtoa Ramisandrazana. Araka ny nambaran’i Deba, raha niditra tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus izy ny 01 oktobra 2010, dia manana vahaolana roa na telo ny tenany ho famahana tanteraka ny krizy. Araka ny resaka manomboka mivoaka dia mizara roa mazava izy io, dia ny vahaolana politika, izany hoe ho an’ny mpanao politika, sy ny vahaolana ho fandaminana ny foloalindahy. Ity farany ity no tena manintona ny sain’ny olona amin’izao fotoana. Hatramin’izay mantsy dia maro no resy lahatra fa i Didier Ratsiraka no filoham-pirenena tena nahay niara-niasa tamin’ny tafika indrindra ary nahafehy izany tsara. Manaraka izany dia mbola maro amin’ireo miaramila sy zandary novolavolainy, na niara-niasa taminy no mitazona toerana ambony ao amin’ny foloalindahy sy ao anatin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana.

Ka noho izany rehetra izany dia mety ho ny amiraly Ratsiraka marina, hoy ny maro no hahavita handamina ny miaramila sy hamerina indray ny hasin’ny foloalindahy. Izy rahateo moa miaramila ary mahafantatra tsara io tontolo io. Tsy mbola fantatra mazava koa anefa hoe inona marina ary ny paik’ady hampiasainy amin’ny fandaminana ny foloalindahy izay nozarazarain’ny firehana politika sy ny fanohanana olona nanomboka tamin’ny 2001 no ho mankaty. Raha ny fahafantarana azy kosa anefa dia mety hiavaka amin’ny eritreritr’ireo mpitarika politika isan-karazany ny vahaolana haroson’i Deba, satria na dia eo aza ny fahanterana sy ny tsy naha teto an-tanindrazana azy nandritra ny valo taona, dia hita tamin’ireny fihaonana tany ivelany rehetra ireny fa mbola manana tsara ny tanjaka ara-tsaina ny amiraly Ratsiraka ary mety mbola ketrika lavitra noho ireo mieritreritra ny tenany ho mpanao politika aza.

Hoy indrindra ny mpanara-baovao politika iray momba ity fiverenan’ny amiraly ity : «Raha toa ka ho avy marina Atoa Ratsiraka, dia amiko ny fandaminana ny foloalindahy no hitako fa mety ho vitany satria sady miaramila izy no mbola manana mpanohana maro ao amin’ny tafika. Izy koa tsy hananan’ny foloalidanhy kakay na alahelo tahaka an’i Marc Ravalomanana. Ka noho izany, hitako fa vitany tsara ny mandamina io resaka io, ary izany no tena dingana lehibe amin’ny famahana ny krizy ary mety hanova mihitsy ny zava-misy satria azoko antoka fa hilefitra amin’izany i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia azy rehefa misy olon-kafa afaka miresaka sy mifehy ny foloalindahy. Io resaka miaramila io mantsy no hitako mbola mampizahozaho ny fitondrana amin’izao fotoana, ka izay fitokonana rehetra manomboka mafampana dia handefasana miaramila miaraka amin’ny kalachnikov sy baomba mandatsa-dranomaso foana, dia rava tsy misy tohiny».

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT