Taorian'Antsiranana dia Fianarantsoa indray no mandray ny fankalazana mitety faritra ny fahefapolo taona niorenan'ny antoko AREMA
. Hiavaka ity ao Fianarantsoa ity satria lanonana roa sosona no hankalazaina ny 4 sy 5 novambra 2016 izao. Eo ny fahavalopolo taonan'ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoha mpanorina ny antoko AREMA izay ao Fianarantsoa no nofidiany hankalazana io tsingerintaona nahaterahany io, ary ny fahefapolo taonan'ny antoko Arema izay efa nitety ny faritra dimy, ary nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tao Tsianolondroa Fianarantsoa ny tolakandron’ny alatsinainy 31 oktobra 2016 teo tamin’ny alalan’ny fampirantiana sary an-jatony mirakitra ny tantaram-piainan'ny filoha mpanorina Amiraly Didier Ratsiraka sy ny antoko. Nitarika ny lanonana ny Sekretera nasionalin'ny AREMA, Simon Pierre sy ny mpandrindra nasionalin’ny fahefapolo taonan'ny antoko, Ramanana René. Tonga nanotrona ny lanonana ny Talen’ny kabinetra ny faritra sy ny lefitry ny Ben'ny tanànan’i Fianarantsoa ny filohan'ny Faritany teo aloha Ralahady Jean Marie. Nahitana ihany koa ny zanaka vavin'ny Amiraly Didier Ratsiraka, Sophie Ratsiraka, ireo kamarady AREMA vehivavy sy tanora ao Fianarantsoa. Haharitra herinandro ny fampirantiana ary hita fa mahaliana ny maro, indrindra ny mpianatra izay tonga maro. 15 taona ny Amiraly Didier Ratsiraka no tsy tao Fianarantsoa. Manomana fitsenana manetriketrika azy ny any an-toerana ny sabotsy 05 novambra hahatongavany any sady hankalazany ny faha-80 taonany, hanomboka eny amin'ny seranam-piaramanidina Beravina ary hipaka ao amin'ny Hotely Soafia hanaovana ny lanonana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.