Rariny raha toa ka nihemotra ny fifidianana satria tena tsy mbola feno ny fepetra ahafahana manatanteraka izany raha toa ka notazonina ny datin’ny 08 mey, hoy i Radert Didier, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Raha ny lafiny teknika dia tsy ahafahana milaza fa ho tena madio sy hoeken’ny rehetra ny vokatra satria tsy tomombana akory ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana no sady mbola maro ireo olona tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra noho ny haratsin’ny fomba fiasan’ireo mpanisa mpifidy amin’ny toerana maro. Ankoatra izay dia voalaza fa mbola maro be mpifidy nefa tsy manana kara-panondro, midika ve izany fa misy Malagasy ho verezin-jo ? Eo amin’ny lafiny politika dia mirehareha ny ankolafy Rajoelina fa mizotra ny fampiharana ny tondrozotra kanefa ho anay ankolafy Ravalomanana, hoy Radert Didier dia tsy mandeha amin’ny tokony ho izy izany satria dia nolaniana fotsiny ho lalàna kanefa tsy ampiharina araka ny tokony ho izy.
Ho anay, hoy izy, dia ny fampiharana manontolo ireo andininy ao amin’ny tondrozotra indrindra ny faha-16, faha-17, faha-20 no takianay hisian’ny fitoniana, vao miroso amin’ny fifidianana. Ka ho anay, hoy izy raha toa ka tsy mbola tanteraka ireo na mihemotra aza ny fifidianana dia ahiana hatrany ny tsy hahantanteraka io fifidianana io ka mitaky amin’ny vondrona iraisam-pirenena izahay, hoy ny CT Radert Didier mba hampiseho fahamatorana raha tiana ny teny hivahan’ny krizy eto Madagasikara. Nasian’ity olom-boatendry ity resaka ihany koa ny fihetsiky ny ankolafy Rajoelina izay sakana amin’ny fampiharana ny tondrozotra ka miteraka ny tsy fitoniana hatrany. «Hihavana amin’izay ve sa hiady no mbola tian’izy ireo satria efa tena mijaly ny vahoaka ?», hoy izy.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.