Politique

DIANA : Fizahantany Mbola hita taratra ny krizy


  • Alarobia 02 Jona 2010

Sehatra mampalaza ny faritra DIANA ny fizahantany noho ny fananany ireo toeram-pitsangantsangana maro raha tsy hilaza afa tsy ny tsingy sy torapasika ao Nosy Be izay tena ankafizin’ireo vahiny.

Mbola hita taratra anefa ny fisian’ny krizy satria zara raha nitombo 5% ny tahan’ny fahafenoan’ny trano fandraisam-bahiny nandritra ny telo volana voalohan’ny taona raha oharina tamin’ny taona 2009.  Raha oharina amin’ny vanim-potoana mitovy aminy tamin’ny taona 2008 kosa dia ny 50%-n’ny vokatra no tratra ankehitriny. Saika ireo mpizahatany avy amin’ireo nosy frantsay manodidina antsika no fiavian’ireo vahiny ireo ka herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fitsidihany an’i DIANA. Ho an’ireo Renione dia noho ny fomba fiainany mitovitovy amin’ny an’ny mponina any avaratra no mahasarika azy ireo any an-toerana raha ny resaka fiaviana sy finoana kosa no mahaliana ny Mahorais, araka ny fanazavan’ny filoha filankevi-pitantanan’ny ofisim-paritra DIANA, Mboraha Zafy. Misy anefa ny tsirim-panantenana mandritra ny fotoana mahabetsaka ny mpizahatany izay efa nanomboka tamin’ity volana mey ity noho ny fisian’ireo hetsika ara-kolontsaina isan-karazany toy ny «Zegny Zo» sy «Festival des Iles» farany teo, ny Libertalia ary Festival Donia. Zava-dehibe amin’ny fivelarana amin’ny sehatry ny oseanina indianina koa ny fisokafan’ny zotra mivantana mampitohy an’i DIANA sy ireo nosy frantsay ireo. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT