Politique

Dian’ny filoha tao Mahajanga Nisesy ny loza


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Ny zoma 24 febroary dia efa fantatra fa ho avy ao Mahajanga ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo mambra sasantsasany ao amin’ny governemanta.

Naharitra telo andro ny diany tao an-tanànan’ny voninkazo, farafahakeliny telo ny loza nitranga tao anatin’izany. Io zoma 24 febroary io dia rendrika teny afovoan-dranomasina ny baka nitondra omby avy any Katsepy ho ao Mahajanga. Avotra ireo olona tao anatiny, fa omby roa tamin’ireo 31 nentiny no maty ary valo tsy hita popoka.  Ny sabotsy indray tamin’ny lalan’i Mahabibo dia Bajaj iray no nirehitra tampoka ka sarotra ny famonoana ny afo. Ny alatsinainy tolakandro, dia fiara tsy matahodalana nitondra ireo mpiambina ny filoha no nifatratra tamin’ny hazo rehefa avy nifaoka fiara fitateram-bahoaka zotra faha-11 ka nandratra olona 7. Mametra-panontaniana ny maro manoloana izao fisesin’ny loza izao hoe fifanandrifian-javatra fotsiny ihany sa fambara inona ? Samy manana ny heviny ny mponina ao an-tanànan’ny voninkazo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT