Politique

Dian’i Andry Rajoelina tao Manakara Noterena hamoaka 1,250 miliara ny Kaominina


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Nanenoneno ny sora-bola notononin’i Andry Rajoelina ho fanampiana ny traboina sy fanohanana amin’ny asa fanarenana ireo simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza «Hubert» farany teo.

Tao Manakara dia farafahakeliny 2,250 miliara no vola notononina tao ankoatra ny fanomezana sy ny fampitaovana. Tao ny hanamboarana hopitaly, hanaovana asa tanamaro ary ny nozaraina tamin’ny traboina. Rehefa natao anefa ny fikaroham-baovao dia re fa volan’ny Kaominina Manakara renivohitra ny 1,250 miliara tamin’io. Tsy manam-bola angaha ny Fitondrana no volan’ny vondrombahoakam-paritra no hisehoana fa manampy ny olona ny fanjakana ? Ny loharanom-baovao no milaza fa natao tery vay manta ny namoahana ny vola omaly. Tsy nanda ny hamoahana ny vola ny tao amin’ny Banky Foibe ao Manakara raha mampiseho taratasim-bola voaisy sonia ny avy ao amin’ny Kaominina. Mena ambanin’ny mena ny mpitambolan’ny Kaominina, dia nanatanteraka baiko. Marihina fa hodinihina eny amin’ny Filankevi-pitsarana anio ny fanafoanana ny didim-pitondrana manendry ny delegasiona manokana hitantana ny tanànan’i Manakara. Na izany aza, ny mpitantam-bolan’ny Kaominina dia efa nahazo toromarika avy amin’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola, izay mpiahy azy, fa izay fanapahan-kevitry ny Filankevi-panjakana ihany no harahina. Ny Filankevi-panjakana anefa, tamin’ny 11 janoary 2010 dia efa nanamafy ny fanapahana noraisiny fa mihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana nivoaka 19 novambra 2009, manendry ny delegasiona manokana ao Manakara. Misafotofoto ny resaka ankehitriny.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT