Politique

Depiote TIM Boriborintany faha-6 Miezaka manampy ny CUA sy ny TIM foibe


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Taorian'ny fitarainan'ny mpamboly eny Ambohimanarina vokatry ny orambe niseho tampoka ny sabotsy 15 oktobra lasa teo ka nahadifotra ny

 

 lemaka dia nandray andraikitra avy hatrany ny depiote TIM ao amin’ny Boriborintany faha-6 eo Antananarivo Renivohitra, Rasoanoromalala Marie  Horace, amin'ny fijerena ny vahaolana hanenana ny rano nandifotra ny ketsa nidina teo amin'ny “Station de Pompage” ary nanampy olona hanala ny tsikafona teo Ambodimita. Notohizana tany Antanjondroa misy ny “Barrage” mitazona ny rano ao Andriantany ny hetsika. Vokatry ny fanampahan-kevitra sy ny fifanakalozana teo amin'ny mpiasan'ny APIPA sy ireo mpamboly vary ao amin'ny Lemak'Iarinarivo dia novahana ilay “Prise d’eau” ao Vahilava manary ny rano mankany Imamba eo ambony kelin’ilay “Radier” Ampanindromana izay simba ka mitarika ny tondradrano eto Iarivo rehefa fahavaratra. Mpanao lalàna no asan’ny solombavambahoaka nefa akaiky vahoaka tanteraka izy ireo ka rehefa misy manahirana ny voahoaka dia tsy mitazam-potsiny amin’ny asa mahasoa homena azy ireo ny depiote. Amin’ny maha mpikambana ao amin’ny antoko TIM azy koa dia miezaka manome tanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra tantanan’ny ben’ny tanàna TIM koa ny depiote Rasoanoromalala Horace no manome lanja ny hafatry ny filohan’ny antoko TIM, Marc  Ravalomanana, amin’ny tokony hijeren’ireo olomboafidy ifotony ny vahoaka nametraka azy teo amin’ny toerany.


 
Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT