Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Boriborintany faha-6 teny Anosisoa Ambohimanarina, ny sabotsy teo, nandray ireo ankizy niisa 200 nanaraka an’ilay « révision CEPE » nokarakarain’ny
« Association Katraka Live » tarihan’i Mr Haja nampitana ilay fianarana lesona fehezina amin’ny hira sy lalao. Nahazo tolotanana 100% tamin’ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny TIM ity hetsika ity ary nampiany tsodrano hoan’ireto ankizy hanala fanadinana ireto izay namporisihany koa tsy hisaraka amam-bavaka hatrany.
Ny alahady 11 jona kosa dia nanolotra « survêtement » hoan’ireo tanora sy ankizy 17x3 mpikambana ao amin’ny Basket Club Ravinala tarihin'ny Coach Riri teny amin’ny kianja basket an’ny Boriborintany faha-6 ity Depiote ity sy mpiara miasa aminy. Ireo 17x3 ambiny sisa kosa dia hahazo ny anjarany tsy ho ela, araka ny fanamarihana azo teny an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.