Politique

Depiote Ravahimanana Guillaume Nitodidoha amin’ny vahoakan’i Soamahamanina


  • Alakamisy 06 Oktobra 2016

Iray amin’ireo olona voatonontonona fa mpomba ireo teratany sinoa avy amin’ny orinasa Juxing Mines mikasa hitrandraka ao anatin’ny fotoana maharitraritra ihany any amin’ny tanŕnan’i Soamahamanina ny depiote TIM Ravahimanana Guillaume voafidy tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo Faritra Itasy.

Azo ambara fa tsy nohenoin’ny olona mihitsy ny teniny nilaza fa tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoam-pirenena amin’ny fifanarahana amin-dry zareo sinoa. Naely mihitsy aza ny feo fa hoe tsy mandraharaha ny vahoaka nifidy azy ity solombavambahoaka ity fa hoe  nahazo tombontsoa manokana tamin’ireo sinoa. Nohon’ny fivoaran’ny toe-draharaha any Soamahamanina ankehitriny dia tsapa fa niverina amin’ny heviny tanteraka ka lasa nitodidoha amin’ny vahoakan’i Soamahamanina ingahy depiote Guillaume ka nandefa fanambarana an-gazety fa : “ Na inona na inona antony, na inona na inona tombontsoa na fantiantoka  mety ho azo amin’ny  fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa any Soamahamanina,  dia tsy voamarina mihitsy ny herisetra atao amin’ny vahoaka monina any an-toerana. Manao antso avo amin’ny rehetra, na ny mpitandro ny filaminana, na ny fanjakana, na ny orinasa sinoa Juxing Mines na koa ny vahoakan’i Somahamanina,  ny tenany mba ho tony fa mbola misy, hoy izy,  ny azo dinihana miaraka sy hifanarahana am-pilaminana..

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT