Noho ny fangatahan’ireo traboina rava sy simba trano noho ny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo, teny amin’ny fokontanin’i Manjakamiadana eny “La haute ville”,
fanampiana tamin’ireo mpanolotsain’ny tanàna TIM ao amin’ny Cua ka nentin’izy ireo nodinihana teo anivon’ny antoko dia tonga nanolo-tanana azy ireo tamin’ny fanolorana tafo fanitso niisa 30 sy “bois rond” maromaro ireto mpikambana antoko TIM 2è ireto notarihan’ny depiote Randrianarisoa Stanislas na depiot Rasatany sy ny delegen’ny Boriborintany faha-2 ary ny filohan’ny Distim Boriborintany faha-2 ihany koa. Nisolovava ireto traboina nisaotra ny antoko Tim tamin’ny famaliana ny fangatahana nation-dRamatoa filohan’ny fokontanin’i Manjakamiadana, Razafimamonjy Victorine. Marihana fa mbola nisy 13 ireo trano voatery noravana fa simba tanteraka teny Manjakamiadana ary 2 kosa no rava tafo. Fianakaviana 3 ahitana olona 17 isa tamin’ireo 60 tany am-piandohana no mbola mijanona ao anaty tranolay ankehitriny. Nambaran’ny depiote Rastany fa mpanao lalàna no asa nifidianana azy ka tsy misalovana ny anjara asan’ny hafa izy raha nitarika ity hetsika ity, fa noho ny fitarainan’ny vahoaka izay hita fa efa tena sahirana no nanomezany anjara fanampiana. Tao anatin’ny 2 volana nisesy izay dia maro ny fanampiana natolony ny vahoaka tao amin’ny Boriborintany nahalany azy izay nahitan’ny mponina fa tena nahay nifidy tokoa izy ireo nifidy an’ity depiote ity. Ampahany tamin’izany ny fanolorana tablio fianarana ho an’ny sekolin-dry masera teny Ampasanimalo, ny fanolorana fanampiana nitentina 15 tapitrisa an’ireo Epp 13 ao amin’ity Boriborintany faha-2 ity, ny fanampiana ireo tanora TIM 2è nentina tany Imerinkasinina ary vao omaly ihany koa ny fanolorana fanampiana fasika 5m3 in-4 niverina tamin’ny fiarabe sy simenitra 1 taonina ho an’ny fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontanin’Ambohidraserika-Mandroseza sy ny fanolorana “gang de boxe” ny AKBA na Akany Kick Boxing Ambohipo tarihan’i Me Henri.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.