Notontosaina ny sabotsy 15 oktobra 2016 teo tao amin’ny Fjkm Ambohimandroso Alfa sy Omega ny fitrotroana am-bavaka ireo asa sosialy fitsinjovana ny mponina sahanin’ny depiote Rasoanoromalala Horace Marie ao anatin’ny Boriboritany faha-6 Ambohimanarina
. Anisan’izany ny tolo-tànana fanefana saram-pianaran’ireo ankizy sahirana 100 mahery eny anivon’ireo sekolim-panjakana, ny fampiofanana informatika sy zaitra ireo tanora 50 mianadahy ary ny tohana ara-bola ireo tovovavy miisa 30 eny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Tsimbazaza avy amin’ny solombavambahoaka Tiako I Madagasikara voafidy tao Ambohimanarina-Antananarivo Renivohitra. Dingana manaraka moa ny fifanampiana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary ity olom-boafidy ity. Efa misy ny vinavina fiketrehan’ny telo tonta fitadiavam-bola maharitra hiatrehana sahady ny taom-pianarana manaraka miaraka amin’ny sakafo. Teo ihany koa ny fikarakarana tatatra mirefy 2 km manondraka ny tanimbarin’ireo tantsaha mpamboly izay hotohizana tsy ho ela amin’ny fanamboarana barazy hifehezana ny rano.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.