Samy nilaza ho tsy nahazo an’ilay fiara 4 x 4 voalaza fa nanambatambazana ny sasantsasany tamin’ireo depiote mivory eny Tsimbazaza avokoa ireo voatonontonona ho nahazo tamin’ny fitondram-panjakana.
Ny depiote iray avy any Miarinarivo sy ny avy eny Avaradrano dia nanitrikitrika fa fandotoana an-kitsirano azy ireo izany ka tokony hampiseho porofo ireo nilaza. Toa variana amin’ny fifanaratsiana tsy mahasoa isika, hoy izy ireo. Tsy aleo ve ny fampandrosoana ny firenena no banjinina ? Nanamafy koa ny depiote avy any Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas, ary nahasahy nilaza fa raha nisy tokoa ny fizarana fiara tsy mataho-dalana dia izy no tokony hisitraka voalohany nefa tsy mbola nisy io hatreto. Dia manontany tena ihany ny mpanara-baovao hoe : ka inona tokoa ary no tombontsoa be azon’ity solombavambahoaka ity no tsy sasatra mampiaka-peo mafy amin’ny fanohanana ny fitondrana ny tenany hatreto ? Nambarany fa vao tafaverina avy any Afrika Atsimo nanatrika ny fivoriana parlemantera afrikanina ny izy ary nitondra voandalana 20.000 dolara azony avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Hanohy ny asa sosialy fanaony any Betroka indray izy ato ho ato ka hizara omby 6 isaky ny kaominina tsy mbola nisitraka tany an-toerana ary hanolotra koa fitaovana toy ny fanamafisam-peo … ho an’ireo fiangonana samihafa any an-toerana ho fiaraha-miasa amin’izy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.