Politique

Depiote Randrianarisoa Stanislas Nanampy ny Lycée St Etienne Ambanidia


  • Zoma 23 Jona 2017

Ao anatin’ny fanamarihan’ny lisea tsy miankina Md Etienne etsy Ambanidia ny faha-55 taona niorenany, 1962-2017,

dia nofinidin’ireo komity mpanomana ny fety ho raiamandreny mpiahy ny hetsika ny depiote TIM Randrianarisoa Stanislas lany tao amin’ny Boriborintany faha-2 misy an’ity sekoly ity. Araka izany dia nanolotra omby 2 novonoina hiarahan’ny ankizy mpianatra « petite section » ka hatramin’ny lakilasy famaranana miisa 1200 ao aminy sy ireo ray aman-dreniny avy miaraka amin’ny olona nasaina manokana hanatrika ny fety homanina anio zoma 23 jona aorian’ny lamesa hiarahana mivavaka maraina ity depiote ity. Hitohy rahampitso sabotsy amin’ny alalan’ny fety fikoranana hiakaran’ireo mpianatra sehatra ao amin’ny lapihazon’ny sekoly ny fanamarihana. Nambaran’ny depiote Rastany fa tsy vao izao akory izy no nanampy an’ity sekoly ity fa efa notontosaina tao ohatra ny fanamboarana efitra fianarana niisa 13, ny fanamboarana ny « salle d’œuvre » sy toeram-pivoahana ary ny fanaovana tara ny tokotanin-tsekoly ka rariny raha tohizina amin’izao fankalazana ny faha-55 taona izao. 7 taona kosa izay no nitantanan’ny Masera « Directrice », Rasoamanarina Marie Angèle an’ity sekoly paroasialin’Ambanidia ity ary mpanabe miisa 75 no miaraka aminy mitaiza ireo mpianatra ao ka maromaro ihany ireo fanavaozana efa natrehana tamin’izany. Ny fanamboarana ny fefin’ny sekoly manamorona ny arabe no tanjona goavana hotanterahina amin’ny manaraka. Hisaorana ingahy depiote Rastany, hoy izy, fa tena raiamandreny lehibe tokoa manampy ny boriborintany faha-2.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT