Hafakely raha samy fanoloran-javatra nentina nankalazana ny fetin’ny Asaramanitra 2017 no nataon’ny Depiote Randrianarisoa Stanislas voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa eo Antananarivo Renivohitra.
Nasehoan’ity depiote ity ny fahaizany miara-miasa amin’ny antokom-pinoana samihafa. Fa tao anatin’ny fanamarihan’ny lisea tsy miankina Md Etienne etsy Ambanidia ny faha-55 taona niorenany, 1962-2017, dia omby 2 no natolony novonoina sy niarahan’ny ankizy mpianatra « petite section » ka hatramin’ny lakilasy famaranana miisa 1200 ao aminy sy ireo ray aman-dreniny avy miaraka amin’ny olona nasaina manokana niara-nihinana nankalazana izany omaly zoma 23 jona. Mbola hitohy anio sabotsy amin’ny alalan’ny fety fikoranana hiakaran’ireo mpianatra sehatra ao amin’ny lapihazon’ny sekoly ny fanamarihana. Ny fanamboarana ny fefin’ny sekoly manamorona ny arabe ny tanjona goavana hotanterahina amin’ny manaraka. Fanaovana tara ny lalana miditra ao amin’ny tokotanim-piangonana kosa no niarahany niasa tamin’ny fiangonana Ekar Ambohipo ao anatin’ny fankalazan’ity fiangonana ity ny faha-155 taona niorenany. Rahampitso alahady no hanatanterahana ny fetim-piangonana Ekar Ambohipo. Ny hetsika fiaraha-miasa fahatelo dia ny fanoloran’ny depiote Rastany simenitra orimbato 50 lasaka ny fiangonana FJKM Androndra Fahasoavana hoentin’ny komity ao aminy mamita ny fanitarana ny fiangonana nimasoany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.