Hajanony ny fanondranana omby any ivelan’i Madagasikara, hoy ny depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany faharoa teto Antananarivo Renivohitra omaly teny Tsimbazaza, fa io no tena fototry ny halatra omby sy ny asan-dahalo mirohatra be ankehitriny manerana ny nosy.
Torak’izany koa, hoy izy, ity fitaterana omby velona amin’ny “Camion” ity. Amin’ny ankapobeny izay, hoy ihany ny nambaran’ity depiote ity, fa hoan’ny aty afovoan-tany manokana dia tsapa fa tena mihena be ny famokarana vary hany ka mihamahantra ny tantsaha Malagasy noho ny halabotry ataon’ny sasany amin’ny ombin’olona izay tokony hampiasaina amin’ny fihosena ny tanimbary amin’ny ankapobeny nefa tsisy hanaovana izany intsony. Tsy mahagaga raha mihena ny voka-bary vokatra ary miakatra ny vidiny. Azo antoka fa hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainan’ny tantsaha amin’ny ankapobeny izao zava-misy eto amintsika izao ka mila vahana haingana ny olana ka haverina ny zavatra niainana taloha fa dia tena mahamenatra izany tantsaha mividy vary izany fa lany tahiry an-tsompitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.