Nasiam-panamboarana ny tetezana fampiasan’ny mponina ao amin’ny tapany atsinanan’ny kaominina Arivonimamo II.
Misedra olana ny mponina amin’ny famonjena asa, fianarana, tsena noho ny fahapotehan’ny tetezana ao Andohasaha, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra. Efa betsaka ny fitarainana nataon’ny mponina mba hanamboarana azy io saingy antso anefitra ny azy ireo, raha ny fanazavan’ny ray aman-dreny tao an-tanàna. “Tokony hataon’ny fitondrana laharam-pahamehana aloha ireo filan’ny mponina eny ifotony vao miresaka ny fampakarana ny harinkarem-pirenena izy ireo”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo. “Fampanantenana tsy misy no ataon’ny mpitondra amin’ny vahoaka raha mbola toy ny tsy misy ireo vahoaka eny ifotony, ary heverina ho tsy zava-dehibe ny fitarainany”, hoy hatrany ity depiote TIM ity. Natomboka ny sabotsy teo ny fanamboarana ny tetezana, ka fifanampiana teo amin’ny mponina sy ny solombavambahoaka no hamitana ny asa, izay heverina ho vita afaka herinandro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.