Politique

Depiote Raharisaina Hery “Diso vanim-potoana ny Frantsay”


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Hentitra ny tenin’ny depiote Raharisaina Hery, anisan’ny mpitarika eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana raha nivahiny tao amin’ny radio Fahazavana izy ny sabotsy alina teo, ary notsoriny fa : «mazava ny resaka fa maniry ny hijanona maharitra eo amin’ny fitondrana ny HAT mba hahafahan’izy ireo mandroba ny harem-pirenena sy mameno ny paosiny arak’izay azo atao ».

Aminy dia tsy manana eritreritra afa-tsy ny hameno ny paosiny sy hanangon-karena ireo mpitondra ao amin’ny HAT amin’izao fotoana, ka mitady izay fomba rehetra haharetany eo amin’izany fitantanana ny firenena izany. Anisan’ireo tsy mitsitsy fitenenana moa ity depioten’i Vohémar ity rehefa manakiana ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina. Ankoatr’io fanambarana nataony io dia nohamafisiny fa tsy menatra ny mivadika amin’ny nekeny sy nambarany ny filohan’ny HAT, ka nametra-panontaniana mihitsy izy hoe : mahafantatra tsara ny zavatra ataony ve i Andry Rajoelina sa manatanteraka baiko fotsiny ? Mahakasika ny toeran’i Lafrantsa amin’ny zava-mitranga eto Madagasikara kosa, dia notsipihan’ny dokotera Raharisaina Hery fa efa diso vanim-potoana ny Frantsay, satria efa taona 2010 isika izao fa tsy 1960 intsony. Efa niova tanteraka amin’izao fotoana ny politika maneran-tany sy ny fomba fifandraisan’ny firenena samy firenena, eny fa na dia ireo mpanjanatany fahiny sy ireo zanataniny aza. Tsy mandaitra intsony noho izany ny politikan’ny fampizarazarana sy ny fampiadiana an-trano, izay kasaina hapetraka eto Madagasikara, araka ny hevitr’ity olomboafidy Tiako I Madagasikara ity. Ho azy, dia ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba ihany no vahaolana mahaomby ivoahana amin’ny krizy, ary vao mainka hampitombo ny fahorian’ny vahoaka sy ny fahasahiranan’ny Firenena ny fanapahan-kevitra samirerin’i Andry Rajoelina. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT