Politique

Depiote Raharimampionona Manjaka loatra ny gaboraraka


  • Zoma 30 Jolay 2010

Mampiteny ny moana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fampihorohoroana etsy, antsojay eroa. Ny fanampenam-bava sy fanaovana hazalambo izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra manginy fotsiny.

Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fanamparam-pahefana koa etsy andaniny. Tanteraka ihany ny tononkiran’ny tarika Mahaleo, hoy Raharimampionona, depiote Tiako i Madagasikara voafidy tao Ikalamavony tamin’ny taom-piasana farany teo, raha nilaza sy nanazavazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena ankehitriny tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Betsaka loatra ny fandikan-dalàna, ary koa ireo olona manan’andraikitra nefa tsy mahafehy ny asany ka mazàna mivadika ho fanararaotam-pahefana sy gaboraraka. Nasian-teny koa ny Dinika Santatra ka nilazany fa olona notsipontsiponina avokoa ny mpizaika any amin’ny Faritra. Rakotomanjato Rodin, depiote Tiako i Madagasikara voafidy tao Arivonimamo, indray no nanao fanamarihana mikasika ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Nambaran’i Andry Rajoelina tao Mahajanga, ny alahady 25 jolay fa mora ary voafehy ny vidim-piainana, nefa izao hiakatra ny vidin-jiron’ny Jirama, hoy izy. Teny fampieritreretana moa no nisarihany ny sain’ny Malagasy fa dia «anjakan’ny entana vahiny ny tsena eto amintsika ankehitriny, etsy ankilany anefa dia miha vitsy dia vitsy ny vokatra Malagasy». 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT