Mbola naverin’ny depiote Mapar lany tao Mahajanga Rahantanirina Nina ihany omaly fa ny voalavo sasa-miaina no misintona volombavan-tsaka, raha naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaha iainan’ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga ankehitriny, Mokhtar Salim Andriatomanga, ny tenany.
Hentitra ity olom-boafidy ity tetsy amin’ny biraon’ny vondrona miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina (Mapar) tetsy Ambodivona nilaza fa tsy manaiky ny fikitikitihana ny Ben’ny tanàna ao Mahajanga ny tenany amin’ny maha solombavambahoaka voafidy tany an-toerana sy filohan’ny sekretera nasionalin’ny vondrona Mapar azy. Tsy ara-dalàna, hoy izy, ny taratasy fangatahana fanazavana nataon’ireo mpanolotsain’ny tanànan’i Mahajanga tamin’ny ben’ny tanàna Andriatomanga satria araka ny andininy faha-127 ao amin’ny lalàna 2014/20 dia tokony ho natao ampahibemaso izany. Tsy mitombina koa ny fanakianan’ireto mpanolotsaina ireto fa ratsy tantana ny tanànan’i Mahajanga satria nahazo fanasana avy amin’ny banky iraisam-pirenena ity ben’ny tanàna ity ary notoloran’izy ireo mari-pankasitrahana maha tanàna tsara tantana. Aza kitihana ny ben’ny tanàna fa ny sosialim-bahoaka jerena, hoy ity depiote ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.