Lojika ny fanohanako ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, hoy ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka, raha namaly an’ireo fanakianana azy nivoaka an-gazety tao ho ao.
Ity filoha ankehitriny ity no kandidà natolotry ny Vondrona Mapar tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena natao teto Madagasikara tamin’ny taona 2013, hoy izy, ka izany no nanohananay azy mandrak’izao. Manana fikambanana nandrotsaka ahy tany amin’ny distrikan’i Betroka aho saingy niangavian’ny Mapar hirotsaka amin’ny anarany ka dia nekeko. Tsy mbola nivadibadika fotokevitra ny tenako tamin’ny fanohanana an’ity filoham-pirenena ity. Ny fampandrosoana ny distrika misy ahy no fototry ny nirotsahako ho kandidà depiote ary nahalany ahy. Tsy misy fampandrosoana azo atao any amin’ny misy anay any raha tsy miara-misalahy amin’ny fitondrana misy ny olom-boafidy tahaka anay satria tsy ho afaka hanao na inona na inona amin’izay fampandrosoana izay eo amin’ny fanoherana, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.