Ny nahavitan’ny Idibe na Fetin’ny sorona ataon’ny mpino Silamo no ela dia nanaovan’andian’olona misaron-tava sady mirongo basy latsak’alina ny tranon’ny solombavambahoaka, voafidy tao Mahajanga I, Rahantanirina Lalao na Nina tetsy 67ha.
Ahiahiana ho mitahiry milisy sy basy ity olomboafidy Mapar ity. Tsy tao an-toerana ny depiote Nina tamin’io, fa zaza taizany no voalaza fa niharan’ny herisetra tao. Lasan'ireo andian’olona tamin'izany ny ordinatera sy ny finday rehetra tao an-trano ary fitaovana maro. Miahiahy ny fianakaviany sao fikasana hifofo ny ain'ity depiote Mapar mafana fo ity izao bemidina natao izao, na misy hifandraisany amin'ny raharaha Lylison izay ataon'ny mpitondra hazalambo. Manomboka mametra-panontaniana ihany koa ireo zanak’i Mahajanga manoloana ny zava-misy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.