Nazava tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny depiote Kathy avy any Mananjary, omaly teny Tsimbazaza nandritra ny
fifanatrehana tamin’ireo depioten’i Madagasikara sy ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier fa mpandany tsy misy fepetra an’ireo lalàna hatolotra hodinihana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza rehefa solombavambahoaka mpanohana 100% ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina tahaka azy ka tokony mba hovatsiana tetikasam-pampandrosoana maro any amin’ny distrikan’i Mananjary nahalany azy izay hireharehany fa hoe tena DISTRIKANY azy manokana raha ny vava navoakany tamin’izany fandraisam-pitenenana nataony izany nanao hoe : “Any amin’ny DISTRIKAKO”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.