Politique

Depiote Jules Andriamaholison Tokana ary miray hina ny TIM


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Rakotra sarin’ny filoha Ravalomanana ary koa sorabaventy samihafa an’ny antoko Tiako i Madagasikara tao Behoririka ny sabotsy 11 septambra teo. Nisy ny hetsika niavaka, tsy toy ny mahazatra nataon’ny Ankolafy Telo tamin’io.

Nisy ny filaharambe nataon’ny mpitolona nitanjozotra niditra ny kianjan’i Magro, niaraka tamin’ny sorabaventy sy famantarana samihafa. Ny depiote Jules Andriamaholison, voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara tao amin’ny Boriborintany voalohany no nanazava ny antony nanaovana ity hetsika ity, ka nilazany fa hampisehoana eto Madagasikara sy amin’ny any ivelany fa tokana ary miray hina ny Tiako i Madagasikara ary tsy mivaky ao anatin’ny Ankolafy Telo. Nohamafisiny koa fa «tsy misaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny Tiako I Madagasikara». Nambarany fa  santatra ihany ny tamin’ny sabotsy 11 septambra iny satria ireo no tratra antso. Niverimberina nandritra ny hetsika tamin’io sabotsy io fa mpirahalahy mianala ny Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy Telo. Tetsy andanin’izay dia mitaky ny hanokafana ny radio Fahazavana ihany koa ny depiote Jules Andriamaholison. Raha mbola mikatona io onjam-peo io, hoy izy dia tadidio fa manetsina ny feon’Andriamanitra ianareo. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT