Adiny efatra teo ho eo no naharetan’ny famotorana nataon’ny mpitsara zokiolona ny solombavambahoakan’i Vohémar (SAVA), Dr Hery Raharisaina ny talata 17 aogositra lasa teo tetsy amin’ny fitsarana Anosy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Inona no votoatin’ny famotorana natao anao ?
Hery Raharisaina (H.R) : Ny raharaha FIGN no nanadihadiana ahy tao. Nisy maromaro ny vesatra niampangana ahy, izay tsy mitombina velively. Izaho, hono, no nanome vola avy tamin-dRavalomanana omena ny kolonely Raymond, namonjy fivoriana tsy nahazoana alalana, nampaniraka nampanao barazy. Nivadibadika teo ny resaka ka izay no nampaharitra efa ho ora efatra ny fanadihadiana ahy.
T.T : Nanao ahoana ny fizotry ny fanadihadiana ?
H.R : Nilamina tsara ny fifandraisanay. Matihanina be ilay madama zokiolona. Be dia be ny fanontaniana fandrika nomeny ahy. Nametraka fanontaniana lalindalina betsaka koa izy. Resaka psikolojia moa izany no betsaka e !
TT : Hitondra fiovana eo amin’ny depiote Raharisaina ve iny trangan-javatra iny ?
HR : Namoaka ary mamoaka sy hamoaka ny hevitro ara-politika anie aho e ! Tsy hampatahotra ahy na dia fampihorohoroana aza ireny natao ahy ireny. Tsy ataoko hampiova na hampatahotra. Mitohy foana ny tolona mandra-pahazo fandresena.
T.T : Mirona amin’ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy ny SADC, ahoana kosa no fahitan’ny depiote an’izay ?
H.R : Hatramin’izay tsy mbola nisy dinika fitadiavam-bahaolana ka tsy hoe Malagasy samy Malagasy. Ankolafy iray ihany no teny Ivato, dia ambaran’izy ireo fa firehana hafa, ka dia teraka ny ankolafy faha-5. Rehefa hanao fifampidinihana aloha dia tokony hisy fitoniana ara-politika, avoaka ny gadra politika, atsahatra ity ramatahora sy fisamborana ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena ity, tokony ho afaka haneho hevitra malalaka ary mahazo vahana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ankoatra izay dia olona tokony hahatapaka no hivory. Iza moa no mahatapaka ? Tsy ireo filohan’ny ankolafy ve ?
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.