Mandeha ny resaka any ho any milaza fa efa tena misalotra manao karavato mangan’ny antokon’ny fitondrana misy ankehitriny ny tenako, hoy ny depiote Harinosy Rabenerika
Charlot voafidy tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana Faritra Itasy. Ambarako anefa fa mbola mitazona ny loko loranjy misy ahy aho amin’izao fotoana. Marina fa anisan’ny nihogahoga ny fanonganana an’izao fitondrana misy tatantanan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao izahay teo aloha teo nefa dia mazava fa tsy nahongana ka tsy maintsy manaraka ny lojikam-piainana mitranga eo amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny ka izany no mampangingina anay io. Aleo mibanjina ny fampandrosoana ny faritra misy ny tena sy i Madagasikara manontolo amin’izay, hoy ity depiote ity. Efa an-dalana ny hahazoan’ireo kaominina 15 misy any aminay ny 200.000Ar anjara amin’ilay teti-pampandrosoana CLD nimatimatesana ary niadianay solombavambahoaka mafy mba hanampiana ireo kaominina misy eto Madagasikara ka rariny raha izahay depiote no anisany hitantana izany mivantana miaraka amin’ireo komity natsangana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.