Mankasitraka ny fandraisana andraikitra efa natomboky ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) manoloana ny tsy fandehanan’ny tontolon’ny fitsarana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara ny depiote Randriamandimbisoa Félix.
Manohana sy mampirisika ny finiavan’ny fianakaviamben’ny mpitsara hahatojo hatramin’ny farany ny fitakian’izy ireo hampihatra ny didim-pitsarana mikasika an’i Claudine Razaimamonjy ihany koa ny tenany. Fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana mametraka mazava ny fisarahan’ireo fahefana 3 ny fitsabahan’ireo minisitra sy ny loholona mpanao lalàna amin’io raharaha mahavoasaringotra ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika io. Vahaolana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Mahafaly Solonandrasana, hoy ity solombavambahoaka Tiako I Madagasikara avy ao amin’ny boriborintany faha-4 ity. Manentana ireo depiote rehetra hifanohana amin’izany rahateo ny mpitarika ny vondrona parlemantera TIM mandritra izao fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.