Nalaza ho lohalaharana tamin’ny fitsipahana ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza ny minisitry ny vola sy ny tetibola vao avy nametra-pialana, Gervais Rakotoarimanana.
Efa ela ihany koa no nandeha ny tombana ny amin’ny mety hanilihana ity minisitra teo aloha ity tsy ho anisan’ireo ho mpikambana ao anaty governemanta vaovao izay vinavinaina hitsangana ato ho ato kinanjo nametra-pialana nialoha moa ny tenany. Hahazo 4x4 amin’izay ve izany ireo depiote any Tsimbazaza ? Ny azo antoka aloha dia mety hiverina indray io resaka io mandritry ny fivorian’ireo parlemantera manaraka eo, fivoriana izay handinihana ny tetibolam-panjakana rahateo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.