Tany amin’ny andron’ny praiminisitra Francisque Ravony no nisian’ny resaka fanambazana fiara sy vola voalohany tamin’ny fametrahan’ny solombavambahoaka azy ho praiminisitra ny taona 1993.
Nahazo sitraka mihitsy izy tamin’izany satria olona iray dia ny depiote avy amin’ny antoko AKFM, Randriamamonjy Fréderic ihany no nanda io fanambazana fiara io. Nanomboka teo dia zary lasa fomba raikitra eo amin’ireo depiote Malagasy ity fitakiana fiara tsy mataho-dalana ity ary lazaina fa zon’ny solombavambahoaka. Betsaka ny depiote mandeha taksibrosy noho tsy fahatanterahan’ny zony, hoy ny solombavambahoakan’i Moramanga Charles Andriamahefa. Nambarany ihany koa fa ireo filoha nifanesy dia nanome fiara avokoa. Mba malahelo ihany ny vahoakanay raha taksibrosy no handehananay rehefa hitsidika azy ireo izahay, hoy hatrany izy. Fitiavan-tanindrazana sa fitiavan-tena diso tafahoatra ? Efa tena mihantsy ady sy manao tsinontsinona ny Malagasy mihitsy ny depiote eto amintsika. Ny fanjakana ankehitriny ihany koa no nanome leson-dratsy ka tsy mahagaga raha ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana no tena lahadiniky ny depiote rehefa fotoam-pivoriana. Izao izany ilay hoe misolo ny vavam-bahoaka amin’ny figohana ny tombontsoa tokony ho an’ny maro an’isa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.