Politique

Depiote Andriambelosoa Barijaona “Tsy misy sonia manan-danja mihoatra ny nataon’ireo lehiben’ny Ankolafy 4”


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Tsy nisy sonia goavana, manan-danja toa ireny nataon’ireo lehibena Ankolafy 4, dia Ratsiraka, Zafy Albert, Ravalomanana ary Rajoelina, hoy ny solombavambahoaka Andriambelosoa Barijaona, avy any Fandriana.

Ireny aza anefa tsy nekena mainka fa ny eto indray ve no hanankery. Efa betsaka izay ahi-dratsy izay, hoy ihany izy nanainga ny rehetra hiray hina. Matoa niseho ireny rehetra ireny, hoy izy, dia efa akaiky ny faran’ny tolona. Tolona izay tsy tolon’antoko fa tolom-bahoaka, hoy ireo mpiara-dia nanamafy. Matoa isika manohitra, hoy ny solontenan’ny Komity miaro ny fampanjariana ny satan’i Maputo dia misy zavatra tsy eken’Andriamanitra eto. Notsiahiviny moa fa raha natory lava lamosina ingahy Ravalomanana dia efa voazanaka indray isika. Ny zava-misy anefa ankehitriny dia nanome tanana ny Malagasy ny SADC, ny Vondrona Afrikanina. Manoloana izany indrindra dia adidin’ny tsirairay ny mamerina an-dRavalomanana, hoy ihany izy. Izay rahateo ny tanjona, hoy ny solontenan’Antsirabe izay nampatsiahy fa efa tamin’ny fotoana nahatongavan-dRajoelina tany Vakinankaratra no efa niteny ny filohan’ny FAT fa hosoloina PDS ny Ben’ny tanàna, ary efa vonona ilay ho PDS saingy niahotra noho ny hatezeram-bahoaka. Karazam-panonganam-panjakana mitohy manko no tadiavina natao, hoy ihany izy nanamafy.

Momba ireo mpiara-dia tamin’ny Magro namadika pejy kosa dia nambaran’ny depiote Razafindrakoto Harifanja, avy any Beroroha fa tsy tokony hampiroaroa saina ny fisiana trangan-javatra toa ireny na dia mahamenatra aza. Na Atsimo Andrefana na Maintirano, hoy ihany izy dia mbola manohana ny filoha Ravalomanana. Nohamafisiny fa na inona fehin-kevitra na fanapahan-kevitra horaisina na aiza na aiza ka tsy eken’ireo raiamandreny telo mirahalahy dia ho sasatra eo foana izay manao izany. “Izay te hiala mahazo miala”, hoy koa ny pastera Edouard tetsy andaniny nanamafy. Tsy hifendro amin’izy ireny isika, hoy ihany izy satria ny tolona tsy maintsy handresy. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT