Nanolotra fitaovana fitiliana « appareil echographique » sy ireo kojakoja madinika miaraka aminy toy ny solosaina izay amoahana avy hatrany ny vokatry ny fitiliana, ny ranom-panafody ho an'ny hopitaly ao amin’ny distrikan'Ambatondrazaka, ny sabotsy 10 jona teo,
ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Andriamasimanana Aureline sady filoha mpanorina ny fikambanana Alaotra Miray Hina. Afaka fahasahiranana, noho izany, ka tsy handehandeha alavitry ny faritra amin’ny fanaovana ity fitiliana ity ireo vahoaka mila izany any Ambatondrazaka sy ireo distrika manodidina azy toy ny distrikan’Amparafaravola, ny distrikan’Andilamena, Amboasary, Andaingo. Fantatra fa handoa sarany 2000 Ar mba hikarakarana ny fitaovana izay rehetra hanao fitiliana amin’ny « appareil echographique » sy hanampiana fitaovana hafa koa. Tonga nanome voninahitra ny fanolorana io fitaovana io tany an-toerana ny minisitry ny fahasalamana niaraka tamin'ny minisitry ny indostria izay nonolotra solosaina 8, kidoro16, ary latabatra ho an'ny hopitalin'Ambatondrazaka ihany koa.
Ny alahady 11 jona izy dia nitsidika ny tanànan’Amborompotsy kaominin’i Tanambe izay nitrangana hain-trano nahatsiravina ka nanolotra bodofotsy, « sceau », lovia sy sotro ho an’ireo traboina ary vola ho an’ireo zaza kamboty namoy ny rainy tamin’ny hain-trano ary vola hafa ihany koa hamerenana azy ireo hiditra hianatra an-tsekoly.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.