Politique

Demokrasia inona ?


  • Zoma 16 Septambra 2016

Fanjakana demokratika i Madagasikara. Hirahira faheno hatramin’ny nanomezana ny fahaleovantena antsika no ho nankaty io.

Nandritry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia omaly dia nampianatra ny avy eo anivon’ilay filankevitra vaovao momba izany ao amin’ny antenimierandoholona fa samy manana ny demokrasia mety amin’ny taniny ny firenena tsirairay avy. Ao ny mampihatra ilay antsoina hoe demokrasia malalaka, ao ny demokrasian’ny fanamparam-pahefana. Hay va re ka misy izany demokrasia mivantana sy tsy mivantana izany koa ! Inona amin’ireo ary izany no mihatra eto ? Sarotra aloha ny hilaza fa ilay malalaka no izy. Ny hoe mivantana sy tsy mivantana koa aza mbola manalasala. Ny tena ahiana hisy dia ilay mifandraika amin’io resaka fanamparam-pahefana io. Maro ny mitatatata isan’andro fa rafitra vahiny ary tsy haniry na oviana na oviana eto io demokrasia io na hotondrahana zezika farany aza. Efa hita mantsy tamin’ny “manjaka vahoaka” fony fahavelon’i tompokolahy Ratsimandrava. Sa ve demokrasian’ny vola no mety amintsika ? Toa izay manam-bola ihany mantsy no matetika lany amin’ny fifidianana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT