Politique

Demokrasia, fanapariaham-pahefana Nanao valin-kafatra i Olivier Rakotovazaha


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Mihazakazaka ary manao be lazao hametrahaka ny fanapariaham-pahefana tena izy ny fitondrana FAT, fa izay no fanirian’ny mpizaikan’ny kaonferansa nasionaly nasaina nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro farany.

Nitondra valin-kafatra mikasika azy iny ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM sady mpikambana ao amin’ny UdemPro, Olivier Rakotovazaha raha nikabary nanoloana ireo olona an’arivony tonga tao amin’ny Magro ny sabotsy 25 septambra teo. Notsiahiviny tamin’io fa efa tamin’ny1957 no noresahina izany fanapariaham-pahefana izany ary tsy voavaly hatramin’izao ka dia mody nasiana haingony indray ankehitriny hoe : “tena izy”. Nambaran’ny FAT moa fa solontenan’ny Malagasy no nanapaka izany, ary maro an’isa. Raha isa no tadiavina, hoy i Olivier Rakotovazaha dia mahavory mihoatra ny 4000 olona ny Ankolafy Telo. Mikasika ny filazana fa voarakitra anatin’ny volavolan-dalàmpanorenana vaovao novolavolain’ny komity fakan-keivtra momba ny lalàmpanorenana dia nahitsy ny tenin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM fa “raha hametraka ny satan’ny mpanohitra tokoa ianareo maninona no mibahana ny zavatra kasain’ny CNOSC hatao ?”.

Mikasika ny demokrasia indray dia hentritra ny teniny : lakrimôzèna, basy, fonja… no iainana eto. Narahiny fanontaniana hoe : mahazo miteny tokoa ve ny olona sa tsia ? Izy ihany moa no namaly fa “ny hitanay dia tsy misy demokrasia eto”. Nasian-teny ihany koa ny fifidianana kasaina hatao eto. Nampitandrina ity mpanao politika ity fa raha fifidianana toy ny tany Maoritania no kasaina hatao, dia tsy misy hanaiky any zany eto. Alefao any amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana dia diovy : esory izay maty, hamarino ny olona nifindra monina, jereo ny olona tsy ampy taona ao anaty lisitra ary avereno ao anaty lisitra ny zanak’i Dada nesorina. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby tamin’io fotoana io koa ny gasy Tia Tanindrazana ao Frantsa renivohitra (GTT IDF), nampahafantatra ny zava-nisy marina nitsena ny iraky ny FAT nandritra ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana farany teo.

Hentitra ny mpitondra tenin’ny GTT IDF nilaza fa tsy nahazo nandray fitenenena indray ny FAT. Tsy marina ny filazana fa tsy te handray fitenenana, satria ny fianakaviambe iraisam-pienena mihitsy no tsy namela azy ireo hiteny. Tetsy andaniny kosa dia nanentana ny olona mba hiomana mandrakariva i Mektoub El Camille. Betsaka no mieritreritra, hoy izy fa mihodinkodina fotsiny isika. “TSIA. Ny FAT no mihemotra fa isika mandroso mamerina ny aran-dalàna”, hoy izy. Hitohy anio ny hetsika eny an-toerana.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT