Politique

Delegasiona TIM avy any Atsimo Andrefana Tokony hifona ampahibemaso ny tafika Malagasy


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Tonga eto Antananarivo hatry ny omaly zoma 7 jolay ny delegasionan’ny antoko TIM avy any Atsimo Andrefana izay tarihan’ny RegTim,

 Sazalahy Tsianihy,  ary ahitana ny solontenan’ireo DisTim rehetra any amin’ny Faritra iny toa an’Atoa isany Mamy Benoît avy any Ankazoabo Atsimo, Azad avy any Morombe, Hervé avy any Benenitra, Velonasy Rémi avy any Beroroha, Alphonse avy any Betioky Atsimo, Jean Olivier avy any Ampanihy, Farara avy any Toliara II, Jafara Aly avy any Betsinjaka ary ny filohan’ny jeune TIM oniveriten’i Toliara Atoa Rémi. Namoaka fanambarana ry zareo ireto fa  manana vary mangatsiaka 2009 ny mpitandro ny filaminana Malagasy ka tokony hifona amin’ny vahoaka ampahibemaso fa tsy mbola nisy maneran-tany fahefana nomena manamboninahitra ambonin’ny tafika ka nomeny sivily mikorontana sy mpanakorontana, satria na ny mpanofana sy ny mpampianatra ny manamboninahitra no tsy feno ny lesona nomeny ny nampianariny,  na ny hofanina ho manamboninahitra no tsy mianatra lesona. Io no nahatonga anay hiteny amin’ny mpitandro ny filaminana fa tokony hisy fifonana ny fialan-tsiny hataon’izy ireo amin’ny vahoaka. Tokony hisy fakan-desona tamin’ny 1972 tamin’ny nanoloran’ny raiamandreny Philibert Tsiranana filohan’ny Repoblika tamin’izany fotoana ny fahefana tamin’ny jeneraly Ramanantsoa ka noraisiny handaminana ny tany sy ny firenena fa tsy naverina tamin’ireo vondron’olona nitaky ny fialan’ny fitondrana PSD. Tena nanome lesona ratsy ho an’ny taranaka sy olona beazina aty aoriana ny zava-nitranga tamin’ny 2009 iny ka tokony ho sahy amin’io fifonana amin’ny vahoaka io mba hisian’ny fifampitokisana amin’ny vahoaka sy  amin-dry zareo mpitandro ny filaminana mba hialana amin’ny fitsaram-bahoka sy ny asan-dahalo ary ny fifamonoana etsy sy eroa.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT