Politique

Deba sy Dada Ho avy amin’ity jolay ity ?


  • Alatsinainy 11 Jolay 2011

Nazava ny hafatra ho an’ny vahoaka tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ho an’i Manoela fa avy tany Anjeva izy tamin’ny sabotsy 9 jolay no namonjy ity toerana mahazatra ny tolona ity ary niresaka nivantana an-telefaonina tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana izy tany amin’io toerana niavian’ity farany.

 «Nanafatra i Dada», hoy izy, «fa anaty raoplanina aho izao tsy afaka miresaka mivantana fa ampeherezo ny vahoaka fa ho avy izahay (Izaho sy ny Amiraly) ary raha mety ny tantana dia amin’ity volana Jolay ity». Mikasika ny fitsarana ny «raharaha 7 febroary” kosa no voalohany nitondran’i Sazalahy Tsianihy mbola avy any Toliara ihany fanamarihana ka nilazany fa : «ny saofera ihany no tompon’andraikitra raha misy ny loza ary maro no migadra satria namono olona. Toy izany koa ny tamin’ny 7 febroary, izay nandefa sy nitondra olona teny Ambohitsorohitra no tokony hotsaraina fa tsy ny miaramila tao an-dapa». Vaovao hafa mikasika ny fampahalalam-baovao any amin’ny Faritra no nilazany fa «any amin’ny faritra dia hifandrombahana ny gazety miresaka ny vaovao ato amin’ny Magro Behoririka sy ny marina momba ny Filoha Ravalomanana fa izay manao an’izany no inoan’ny olona fa tena milaza ny marina. Rehefa tara izany gazety izany, toy ny tranga niseho tamin’ity herinandro ity tany Toliara dia iharan’ny hatezeram-bahoaka ny toerana fivarotana gazety».

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT