Politique

Datim-pifidianana Tsy an’ny CENI ny fanapahan-kevitra


  • Alarobia 14 Septambra 2016

Nitsotra ny filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI,

 

 Hery Rakotomanana, io omaly io, tetsy Alarobia fa tsy mahaleotena amin’ny resaka fanapahan-kevitra amin’ny daty hanatontosana ny fifidianana eto amin’ny firenena izy ireo. Izay no fanazavany nikasika ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena izay tsy tontosa matetika tao anatin’ny daty voatondron’ny alimanaka tokony hanatanterahana izany. Raha ny mikasika ny fifidianana filoham-pirenena izay malaza fa hahemotra amin’ny 2019 moa dia nilaza ny tenany fa ny faran’ny taona 2018 no tena tokony hametra-pialana ny filoham-pirenena satria izay no fetran’ny taom-piasany.

Nahazo lesona

Nanararaotra nitatitra ny diany tany ampitan-dranomasina farany teo ihany koa ny filohan’ny CENI ary dia nilaza fa nahazo lesona tao amin’ireo firenena roa izay nandalovany dia Seisela sy Gabon. Ho an’ity farany, hoy izy, dia niarahantsika mahalala ny zava-niseho nampalahelo satria dia samy nahazo fanakianana avokoa ny mpandray anjara isan-tokony, indrindra fa ny CENI ao an-toerana ary dia niafara tamin’ny korontana izany. Toy izany koa, hoy izy, ny tranga tao Seisela saingy mbola maivamaivana kokoa. Fandaharam-potoanan’ny CENI moa amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana, ny hampitombo ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana izay mbola 8,6 tapitrisa aloha hatreto ary hisantatra ilay fanabeazana momba ny fifidianana any Toliara ny 1 desambra ho avy izao.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT