Matetika voaresaka amin’ny fihaonan’ny governemanta sy ny parlemantera any frantsa ny raharaha eto Madagasikara.
Tamin’ny herinandro lasa teo, dia nilaza indray ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Bernard Kouchner nanoloana ny Antenimierandoholona fa ny datin’ny fifidianana no tena mampifanolana sy tsy mampiray hevitra mihitsy an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Raha araka ny filazan’ity minisitra ity ihany dia efa nisy ny karazana fihaonana savaranonando, tsy ofisialy, teo amin’ireo iraky ny fitondrana frantsay sy ankolafy Ravalomanana ary ny ankolafy Rajoelina ka maromaro ihany ny lohahevitra nodinihana tao, anisan’izany ny daty hanatanterahana ireo karazana fifidianana. Ary tsy ny daty ihany no mampifanolana fa ny fifidianana atao koa, ny ankolafy Rajoelina dia mbola miziriziry fa ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fananganana ilay Antenimieram-panorenana no hatao mialoha. Ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankamaroan’ireo mpanao politika kosa anefa dia manamafy fa fitsapan-kevi-bahoaka handaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 no tsy maintsy mandeha mialoha, ary manaraka izay ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay azo ampiarahana tsara amin’ny andro iray. Ary vao tamin’ity herinandro ity no nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy ampihavanina aloha ny samy Malagasy izay vao miroso amin’ny dingana manaraka. Izy moa dia mbola nanamafy fa tsy maintsy tafaverina an-tanindrazana ny tenany. Mino sy manantena, araka izany, ny zanak’i Dada fa ho kandida amin’ny fifidianana i Marc Ravalomanana, ka mety ho izay ve no mbola mahatonga ny ady varotra eo amin’ny daty hanatanterahana ny fifidianana sa ahoana ? Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy mbola nilaza mihitsy i Andry Rajoelina na ny HAT fa tsy mahazo milatsaka i Marc Ravalomanana, saingy miezaka ny manafaingana ny hanatanterahana ny fifidianana izy ireo, mba tsy hananan’ity farany fotoana hiomanana. Ho sarotra tokoa mantsy ny raharaha raha avy any Afrika Atsimo no hanainga propagandy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.