Mitohy hatrany ny resadresaka nifanaovana tamin’i Dama Mahaleo na Rasolofondraosolo Zafimahaleo, mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena.
Noresahany farany teto ny resaka mikasika ny maha zava-dehibe ny fananana foto-kevitra rehefa manao politika fa tsy voabaikon’ny vola. Mahatsikaritra ankehitriny ity mpanakanto sy mpandinika fiarahamonina ity fa efa tsy misy maha mpifidy ny ankamaroan’ny olona intsony. Araho ary ny resadresaka.
Tia Tanindrazana : Miroborobo be tokoa io resaka fizarana vola io amin’izao fotoana izao. Inona no fanafodiny raha ny hevitrao ?
Dama : Isika malagasy dia mila maka lesona. Tsy misy fahagagana io fa mila mahatsiaro tena isika. Lasa hararaotin-dry zareo ny fasahiranan’ny mponina dia tsy mahasaina raharaham-pirenena intsony izy, hany ka ohatry alaim-panahy mihitsy aza hoe aleo mitombo andro aman’alina ny olona sahirana dia amin’izay lasa tsy mpifidy intsony fa mpandatsa-bato sisa. Mety amin-dry zareo mitazona ny fitondrana araka izay azo atao mihitsy ilay vahoaka sahirana amin’izay azo vidiana ny vatony. Ny fanafodiny dia manana anjara toerana lehibe ny haino aman-jery mba hanokatra ny fijerin’ny olom-pirenena ka hampihena ny isan’ny mpandatsa-bato ary hampitombo ny isan’ny mpifidy. Raharaha ikambanantsika olom-pirenena io satria ao anatin’ny fiarahamonintsika dia misy ny miraharaha sy ny tsy miraharaha ary misy ny tsy mahalala mihitsy. Noho izany, adidintsika miraharaha na dia vitsy aza no manokatra ny sain’ny olom-pirenena mba ho lasa mpifidy fa tsy ho mpandatsa-bato. Ezaka be io !
TT : Mikasika ny fiarahamonina misy antsika indray, ho an’Antananarivo manokana, lasa be ny fisolokiana, ny fifamonoana, ny tsy fandriampahalemana ... Ahoana indray ny fahitanao azy ?
Dama : Izao fiainan’Antananarivo izao dia tsy tongatonga ho azy fa nisy tantara. Ka eto mihitsy no tokony hanomboka ilay fanokafana ny saina satria isika dia tsy mahadinika intsony fa i Madagasikara anie ka ohatra an’i Frantsa sy Belzika mitambatra ny habeny ary nosy fahefatra lehibe indrindra eran-tany nefa vitsy mponina, 25 tapitrisa monja. Ny 80%-n’ireo anefa dia resy lahatra fa mahantra. Ao anatina velaran-tany midadasika be izay misy harena voajanahary ambonin’ny tany sy ambanin’ny ranomasina ary ankibon’ny tany dia resy lahatra fa mahantra isika. Loza !
TT : Ny anton’izay ?
Dama : Lasa mahazatra antsika ny manafatra vary sy sakafo avy any ivelany. Nahomby izany ny tetika nataon’ireo mpitondra nifandimby teto mba tsy hahatsapantsika ny fisian’ireo harena ireo. Tsy fantatsika, indrindra ny tanora, aiza daholo no misy ny volamena, safira, vatosoa, sy ny sisa eto Madagasikara. Aiza daholo no misy gazy na solitany, ny karazana zava-maniry azo hanaovana fanafody, ny karazana trondro sarobidy. Ny fandaharam-pianarantsika koa tsy mampahafantatra ny tena fisian’izay harena izay ary tsy manomana ny tanora hahay hanodina ireo harena ireo ho lasa fivelomantsika ato anatiny fa dia nampanofisina daholo hoe any andafy ny hoaviny dia mitodika any daholo ny saina aman’eritreritra rehetra.
TT: Inona izany no vahaolana ?
Dama: Lasa otrikarena fotsiny izany ilay harem-pirenena ho antsika fa ny tetika hamadihana azy ho fivelomana afenin’ny manampahefana. Tsy mahagaga raha miezaka mankany andafy ny tanora satria mihevitra izy fa tsy misy ho avy eto. Ahoana moa no ahafahany miaro an’i Madagasikara nefa tsy fantany akory ny hareny ? Ny ataoko hoe orinasa “tany” izay lehibe indrindra anefa ory mpiasa. Ankoatra ny tantsaha dia mila injeniera ao manodina ny herinaratra amin’ny alalan’ny rano sy ny masoandro, mila injeniera koa ao manodina akora be dia be ao ambanin’ny tany ao. Mila tanora be dia be satria ny tany no reniben’ny orinasa. Na ny mpamokatra zava-pisotro aza mila vokatry ny tany toy ny katsaka sy ny fary.
Nangonin’i Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.