Politique

Dama Mahaleo Mila mpifidy isika fa tsy mpandatsa-bato


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Resaka tsy mety vita ny fahantrana sy ny hoavin’i Madagasikara. Ranolava ny fanehoan-kevitra. Manana ny fahitany izany i Zafimahaleo Razafindraosolo na Dama.

TT : Misy mahantra tokoa ve eto, araka ilay fanontaniana malazan’ny filoham-pirenena hoe : “Aiza no misy mahantra eto” ?
Dama :
Fahantrana lehibe anie ny tsy fananantsika tanora voaomana hahay hitrandraka sy hanao asa fanodinana na famoronana asa miainga avy amin’ny akora avy eto Madagasikara e ! Fahantrana koa ny tsy fananana tanora saropiaro amin’izany fahaizana amam-pahalalana izany ahafahany mamelomaso ny harena ato anatiny. Fahantrana be ny tsy fananana olombelona voaomana hoe misy orinasa hitrandraka fasimainty eto Madagasikara dia voatery manafatra mpiasa avy any ivelany. Endrika fahantrana koa ny fandefasana Malagasy hiasa any ivelany na hitady asa any satria mazava be izany fa tsy misy ho azy eto Madagasikara e ! Tsy misy afa-tsy ity tany Madagasikara ity ihany no afaka mamelona antsika eto nefa isika izao dia lasa manjifa fotsiny. Tsy voaomana mihitsy isika hanome valim-babena an’i Madagasikara nefa izy namelona, nanome rano, rivotra, sakafo ho antsika. Madagasikara toy inona no havelantsika ho an’ny taranatsika ? I Madagasikara anefa tsy hitombo velarana fa hitombo ny isan’ny mponina.

TT : Izany hoe ?
Dama: Handova dezaka ny taranaka na ara-kolontsaina na ara-pivelomana raha tsy izao dia mamelo-maso ny tany, manao valim-babena aminy sy ny mpiara-belona. Tsy misy mazia eto fa mila mifamelona isika. Ny olombelona no fototra fa tsy ny toekarena. Ny olombelona no manodina ny akora ho lasa toekarena ka raha toekarena tantanin’olom-bitsy no ho eo dia lasa olom-bitsy eto Madagasikara izany no mahazo vahana. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe ampio tosika ny tantsaha ry mpianatra avy eny amin’ny oniversite sy tekinisianina satria ilaina izay fifamenoana izay.

TT : Mbola misy hantenaina ve eto raha izany voalazanao izany ?
Dama :
Rehefa tsy manan-katolotra amin’ny lafiny kolontsaina isika dia manjaka ny kolontsainan’ny hafa. Izay no mahatonga ny tanorantsika hitodi-doha ho any ivelany daholo ny ankamaroany, izany hoe lasa mpanjifa sy mpandray vonona. Matoa isika toy izao dia satria tsy manandratra ilay fototra iorenan’ny firenena mihitsy dia ny kolontsaina maha antsika antsika.

TT : Afaka firy taona isika no ho tafavoaka raha izany ?
Dama : Tsy hoe firy taona fa rahoviana no misy mpitondra firenena eto Madagasikara hahatsapa fa orinasa fototra ary ilana fanabeazam-boho ny tany ? Ny tsy fisian’ny politika manabe ny olona amin’izany anie no mampivangongo ny mponina aty an-drenivohitra e !
Isika nosy sady manana tanora be dia be, tsy manana olana amina sisin-tany koa. Ny fitenintsika mifankahazo atsimo sy avaratra. Inona no tokony hahaory antsika eo ?

TT : Efa ara-bakiteny izao ilay hoe fahatongavan’ny Fanjakana Islamika eto. Inona no anton’izay raha ny hevitrao ?
Dama : I Madagasikara dia efa narovan’ny zavaboary ho Nosy fa isika no tsy miaro tena fa na iza na iza dia afaka mitsofoka eto daholo. Matoa miroborobo ny karazana antokom-pivavahana eto Madagasikara dia satria miroborobo ny fampahantrana na ny rafitra mampahantra antsika. Tsy ny vahiny no diso fa ny sokajin’olona mifehy ny toekarena sy politika ary fahefana no manome tany malemy hanorenam-pangady.

TT : Hafatrao farany ?
Dama : Efa natomboka hatramin’ny 1972 ary mbola tohizanay foana ny ezaka dia ny mba hitomboan’ny isan’ny Malagasy mpifidy ary hampihena ny isan’ny mpandatsabato, mba hahatsapantsika amin’izay ho tompon-draharaha eto. Tadidio fa antsika rehetra i Madagasikara fa tsy an-driy zalahy vitsy an’isa izay mifehy ilay fahefana ara-toekarena sy ara-politika ihany.

Nangonin’i Mirija


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT