Politique

Dada tany Toamasina “Sahy ary hijoro isika”


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Mbola tena mamy hoditra amin’ny Malagasy n’aiza n’aiza faritra alehany i Marc Ravalomanana, azo hanaporofoana an’izany ny fihaonana mivantana tamin’ireo mponina tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny tahaka ny tao Beforona,

Antsampanana, Brickaville ka hatrany Toamasina.Tsy nisalasala niresaka sy nilaza izay marary azy tamin’ity filoha teo aloha ity ny olona ary mbola manantena ihany koa fa hitondra vahaolana ho an’ny firenena izy.

MAP 2

Tany Toamasina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara tao amin’ny Anjara Hotel no nanambaran’i Marc Ravalomanana omaly hariva fa mila antoko tena matanjaka i Madagasikara hitantana sy hampandroso azy ; eo am-pamolavolana ny Madagasikara Am-Perinasa faha-2 (MAP 2) isika ankehitriny hoy izy.Fandaharanasa ho entina amin’ny 2018 izy io ary izay no anton’ny fitsidiham-paritra nataony ary mbola tohizany hatramin’izao, hanadihadiana ny zava-misy marina, ny filan’ny malagasy isam-paritra sy ny hetahetany.Kandida filoham-pirenena aho amin’ny 2018 aho, hoy i Marc Ravalomanana satria mila tohiazana ny asa fampandrosoana efa natomboka tamin’ny naha filoha azy (2002-2009).Niara-dia taminy tany an-toerana hatrany moa ny profesora James Robinson nitondra ny traikefany tamin’ireo mpikambana TIM amin’ny resaka fitantanana .Nampatsiahivin’i Dada omaly tany Toamasina fa efa nahatratra 7,9% ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena teto Madagasikara tamin’ny 2009 ary 12,7% ny tahan’ny fampidiran-ketra saingy nopotehana noho ny fanonganam-panjakna izany.Tanjona mbola tsy tratran’i Madagasikara ireo fito taona aty aoriana. Mila antoko matanjaka manana vina sy fandaharanasa ary atokisan’ny mpamatsy vola isika , hoy i Marc Ravalomanana, mila mijoro ary mila sahy.Tsy maintsy hajaina ny lalàna sy ny zon’olombelona ary mila milaza ny marina izay mitondra ny firenena, hoy hatrany izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT