Manomboka izao dia afaka mitondra ny anjara birikiny mivantana amin’ny fanarenana ny Renivohitr’i Gasikara miaraka amin-dRtoa vadiny Atoa Marc Ravalomanana.
Tsy niandry ela ny asa fa avy hatrany dia vavany ka nisy ny asa fanadiovana teny Mahamasina notanterahin’ny kaominina ary efa hita teny an-toerana ny tenany omaly maraina nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany. Sady manan-kevitra Atoa Ravalomanana no manana ny hoenti-manana ary indrindra efa ampy traikefa amin’ny fitarihana. Tsy resa-bola ny azy no tanjona amin’izao fa fanamby ho enti-mampandroso ny tanàna . Nanaraotra nifanerasera tamin’ireo ankolafin’olona teny andalam-be I Dada omaly ka maro no nidera ny fanetren-tena nananany noho ny fitakosonana amin’ny vahoaka izay toetra tsy ananan’ny mpitondra sy ny mpanao politika eto amintsika, miedinedina amin’ny fiara misy fitaratra mainty manivatsiva etsy sy eroa. Nanararaotra nihaino sy nifampiresaka tamin’izay sendra azy toy ny mpamily taksibe, mpianatra, olon-tsotra handeha hiasa, mpivarotra ny tenany.
Nandritra io fotoana omaly io ihany koa no nitondran-dRtoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fanazavana mikasika ny toerana manamorona ny farihin’i Behoririka. Tsy omena ny Sinoa izany io toerana io, hoy ny ben’ny tanàna. Fanajariana ny tanàna sy fanomanana ny fiatrehana sahady ny fotoam-pahavaratra no tanjona, tsy safidy fa zavatra tsy maintsy hatao ny fanadiovana sy fandaminana ka mila mandray andraikitra ao anatin’izany no sady mitondra ny anjara birikny ny tsirairay. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra hahafahana mijery ny tombotsoan’ny rehetra ka izay no mahatonga ny fihaonana mivantana amin’ny vahoaka tahaka ity natao omaly teny Mahamasina ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.