Politique

CUA sy sefom-pokontany Nampitovy tadin-dokanga


  • Talata 21 Martsa 2017

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny tsy nahitana an’ireo mari-pamantarana ireo kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny saina, fitomboka…

teny anivon’ny fokontany sy ny taratasy omeny. Nisy omaly alatsinainy 20 martsa ny fihaonan’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny tanàna, notarihin’ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Andriamorasata Julien notronin’ny filohan’ny filankevitra Monisipaly, ny sekretera jeneralin’ny kaominina, talen’ny kabinetra ary ny sefo distrika izay solontenan’ny sefo distrika 6 eto Antananarivo sy ny prefekitioran’ny polisy an-daniny ary ireo sefom-pokontany 192 eto an-drenivohitra an-kilany, nampitoviana tadin-dokanga tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nanambara i Andriamorasata Julien fa tato ho ato dia nisy baiko midina am-bava amin’ny fanesorana ireo mari-pamantarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra eny anivon’ny fokontany nefa araka ny lalàna dia manan-kery ny fampiasana azy ireny. Andraikitra sy fahefan’ny kaominina Antananarivo no antony ampiasana azy ireny eny anivon’ny fokontany, hoy izy, ka rariny loatra raha misy ny famantarana avy amin’ny kaominina Antananarivo, indrindra ireo taratasy toy ny kopia, fanamarinam-ponenana, sora-piankohonana, ny fametahana ny saina … Niangavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba tsy hanalana ireo mari-pamantarany eo anivon’ny fokontany sy amin’ny taratasy omena, ary mila tohizana ny asa satria ny 90%-n’ny asa dia an’ny kaominina avokoa. Nanamafy koa ny sefo distrika fa ny voasoratra ihany no tokony harahina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT