Noraisin'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana tao amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny talen’ny fiaraha-miasa Iraisam-pirenena sy ny fizahantany eo anivon'ny Région Ile-De France, Eric Fajole omaly tolakandro.
Nifantoka betsaka tamin’ny fiaraha-miombon’antoka mba ho fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanatanterahana tetikasa maro no tena anton’ny fihaonana. Nivoitra tamin’izany ny dinidinika amin’ny hanatanterahana tetikasa izay efa voafaritra tao anatin’ny dinika momba ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny COP 21 natao tany Paris. Tsara ny manamarika fa anisan’ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka tranainy indrindra amin’ny kaominina amin’ny alalan’ny Ivontoerana miandraikitra fanajariana ny tanàn-dehibe (IMV), izay efa nisy nandritra ny 25 taona ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Région Ile-De-France. Midika izany fa efa tena mafonja ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.