Politique

CUA - Région Ile de France 25 taona niaraha-niasa


  • Alakamisy 30 Martsa 2017

Mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka tranainy indrindra amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny IMV (Institut des Métiers de la Ville) amin’ny alalan’ny Ivontoerana miandraikitra fanajariana ny tanàn-dehibe, izay efa nisy nandritra ny 25 taona, ny CUA sy ny Région Ile de France.

 

 Midika sy mazava izany fa efa tena matotra sy mafonja ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tonga nanamafy izany ny Talen’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fizahantany ao amin’ny Région Ile de France, Eric Fajole, raha nitsidika arak’asa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 27 martsa teo. Nifantoka betsaka tamin’ny fiaraha-miasa fiaraha-miombon’antoka mba ho fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo amin’ny alalan’ny fanatanterahana tetikasa maro ny fihaonana. Nisy ihany koa ny dinidinika amin’ny hanatanterahana tetikasa izay efa voafaritra tao anatin’ny dinika momba ny tontolo iainana tamin’ny COP 21 natao tany Paris tamin’ny desambra 2015.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT