Ny fananganana fotodrafitrasa amin’ny tanin’ny Tiko na amin’ny tanin’i Dada dia fiezahana hamafa ny anaran’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Ranaivoarizo Raobelina Fenomanjato.
Tsy hamela mora foana izany anefa ny Zanak’i Dada, hoy izy. “Tsy avelanay ho faty momoka ny tolona satria samy tompon’ity tany ity”, hoy ny CT Feno. Tsy misy mpanao politika maharesy lahatra ka mahavory olona afa-tsy ny filoha Ravalomanana, hoy ihany izy. Nokianiny mafy ny resaka ady tany etsy Manjakaray.
Nambarany ihany koa fa kilalao maloto ny ao amin’ny kongresy izay misy azy raha tsy hiteny afa-tsy ny nandaniana ny tetibola. “Izahay tsy manadino fa manangona porofo”, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity izay nanipika fa tokony hanana porofo ny namarotana ny faramanidina Air Force One II, ampahany ihany io, hoy izy. Mizotra any amin’ny lalan’ny fandresena isika, hoy ny CT nanoloana ireo vahoakan’ny Magro ka “tokony hatoky isika fa tsy hamitaka antsika ny filoha Ravalomanana”. Adidy voalohany ny famerenana azy an-tanindrazana ka tsy hihemotra amin’izany isika, hoy ihany izy nanentana ireo mpiara-dia aminy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.