Politique

CT Rakotomandimby Désiré sy Ambositra II “Endrika fanosoram-potaka fotsiny”, hoy ny Ben’ny tanŕna mpisolo toerana


  • Alarobia 03 Aogositra 2011


 Manoloana ireo resaka an-gazety mahakasika ny CT Rakotomandimby Désiré, Ben’ny tanàna ny Kaominina Ambositra-II teo aloha, dia nanamafy sy nilaza ny zava-misy marina tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra ny alatsinainy 01 aogositra teo ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana, Razafindrainibe Dominique. Nambaran’ity farany fa endrika fangalàm-baraka sy fanosoram-potaka manampahefana ranofotsiny ny voalazan’ilay olona mitonona ho mpanara-maso ny fiainam-pirenena ao Ambositra ireo. «Tsy mitsabaka amin’ny fitantanana ny Kaominina Ambositra II intsony io mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tatezamita io ary tsy mitazona ny fanalahidin’ny biraon’ny Kaominina. Tsy mbola nisy koa antontan-taratasy very tao amin’ny Kaominina sy fanesorana ity CT ity ao amin’ny tranony», hoy Razafindrainibe Dominique. Ampiasain’ny mpitantana sy ny mpiasan’ny Kaominina hatramin’izay ny môtô ao ary mipetraka ao amin’ny biraon’ny Kaominina io môtô io fa tsy ao amin’ny tranon’ny CT velively. Tsy mbola nandoa vidin-jiro sy rano lanin’ity CT ao Ambositra II ity ny Kaominina, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana ihany.

 

Rado

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT