Politique

CT Rakotoamiandrisoa Ernest Ny artista ve no hifidy an-dRajoelina ?


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-63-n’ny filoha Marc Ravalomanana ny mpitolona tao Antsirabe omaly.

 Nifanandrify indrindra amin’ny andro alarobia fanaovana hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena moa ny 12 desambra ka vory maro ny mpitolona. Ankoatra ny hetsika fankalazana moa dia nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasana ka nisongadina ny mahakasika ilay lazaina fa lova havelan-dRajoelina ho an’ny taranaka faramandimby. Nambaran’ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest tamin’izany fa raha misy ihany ny vola dia tokony izay mahasoa ny vahoaka no atao fa tsy kianja, izay mbola hitangosana vola aminy indray aza, ka tsy hisy tombontsoa ho azon’ny vahoaka amin’ireny fa olom-bitsy no mahazo amin’io.

Raha lova ho an’ny taranaka dia ny fianarana no tokony hojerena toy ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra manerana ny Oniversite sy ny volan’ireo mpampianatra satria ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy ny ohatra. Nohamafisin’ity mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ihany koa fa matoa ny firenena matanjaka aty Afrika sy ny ramomasina Indiana tsy nanorina fotodrafitrasa goavana toy io dia hitan’izy ireo fa tsy mbola laharam-pahamehana. Raha amin’izao vanim-potoana izao, hoy ihany izy dia ny mahasoa ny tantsaha no tokony hojerena ahafahany mamokatra fa tsy ny mahafinaritra ny artista akory, sa Rajoelina mieritreritra fa ny mpanakanto no hifidy azy amin’ny fifidianana fa tsy ny vahoaka ? Nisy moa ny fizarana fanomezana ho an’ireo rehetra izay tonga tao amin’ny kianjan’ny Magro omaly alarobia io ka vatomamy sy bisikitra no nifampizarana tamin’izany.

Caïus Raharison 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT