Mampalahelo, hoy Atoa Donazy mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay vao tafaverina avy any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana fihaviany iny, fa misy misandoka maka ny fon’ny vahoaka indray ireo namana taloha izay namadika ka milaza izao atsanga tsy aman’orana izao mahakasika ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ilay filazany fa tsy hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy.
Efa mailo anefa ny vahoaka fa izay teny lazain’i Dada ihany no arahina hatramin’izay ka hatramin’izao. Nasian’ity CT teny ihany koa ny mikasika ny resaka aministia mampisy resaka be ankehitriny eto amin’ny firenena. Voizin’ireo olona manodidina an-dRajoelina, hoy izy, fa hoe madio tsy mila an’izany amnistia izany ity olona tohanan-dry zareo ity ka hoe ny SADC no manaotao foana nefa anie dia izy tenany no nangataka izany aministia izany ê ! I Andry Rajoelina mantsy, hoy ny CT Donazy, dia meloka manoloana ny fifanarahana iraisam-pirenena natao tany Cotonou ary efa fantatry ny rehetra maneran-tany fa nanongam-panjakana.
Araka ny lalàna velona eto amintsika koa raha misy fihetsiketsehana manimba zavatr’olona sy mitarika famonoan’olona tahaka ny nitranga tamin’ny 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009 koa dia ilay mpitarika no tompon’andraikitra voalohany, tsy iza izany fa i Andry Rajoelina. Tany aminay tany Farafangana, hoy ity mpikambana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity, dia nodorana ny fiaramanidina nitondra ny minisitry ny toekarena Razafimahefa Ivohasina ka ahoana no hilazana, hoy izy, fa madio Rajoelina ? Ny voalaza fa marina kosa dia hoe : tsy mbola notsaraina izy. Izany akory tsy midika hoe madio izy ? Ho an’ny filoha Marc Ravalomanana kosa dia ny voalazan’ny tondrozotra dia ampy hilazana fa afaka mody tsy misy fepetra izy araka ny andininy faha-20, ary tsy azo enjehina koa ny voalaza fa mpanohitra araka ny andininy fah-16.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.