Manao ranolava ny fanehoan-kevitra samihafa tany Toliara, taorian’ny nanambaran’i andry Rajoelina ny tsy hilatsahany amin’ny fifidianana ho avy rehetra.
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao an-tranony, ny CST Tsitara Calvin, Olobe an-tanàna, ary nilaza, fa manomboka izao dia «tokony haka lesona sy handini-tena amin’izay ireo mpanao politika malagasy». Tsy nisorona ity raiamandrenibe Ben’ny tanànan’i Miary Tolira II teo aloha ity nilaza fa «atsaharo manomboka izao ny fitiavan-tenanareo mpanao politika politisianina diso tafahoatra io fa mampikoroso fahana ny firenena sy mampijaly vahoaka».
Raha araka ny voalazany hatrany dia «tsy ny filohan’ny tetezamita intsony no sakana tsy hivahan’ny krizy sy tena hisian’ny fitoniana eto amintsika». Raha zohina ny zava-boalazan’ity CST ity, dia any amin’ireo mpanao politika tia misolelaka sy mpamadika palitao lava ny baolina amin’izao, ka hotsarain’ny tantara amin’izay izy ireo. Marihina fa manana ny mari-boninahitra «Grand Croix de deuxième Classe» ity Parlemantera ity. Midika izany fa olona nahavita be teto amin’ny firenena ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.